Acts 5

1Fa nisy lehilahy iray nantsoina hoe Ananiasy, niaraka tamin’i Safira vadiny, nivarotra anjara tany, 2ary notazominy ny sasany tamin’ireo vola vidiny (ny vadiny ihany koa nahalala izany), ary nitondra ny ampahany hafa tamin’izany ary nametraka azy teo an-tongotr’ireo apostoly.

3Fa Petera niteny hoe: “Ananiasy, nahoana no nofenoin’i Satana lainga ny fonao handainga amin’ny Fanahy Masina, sy hitazona ny ampahany tamin’ilay vidin-tany? 4Raha mbola tsy lafo izany, tsy nijanona ho fanananao manokana ve izany, ary rehefa lafo izany, tsy teo amin’ny fahefanao ve izany? Ahoana no nieritreretanao izany zavatra izany tao amin’ny fonao? Tsy nandainga tamin’ny olona ianao, fa tamin’Andriamanitra.” 5Nony nandre ireo teny ireo, dia lavo tamin’ny tany Ananiasy ka afaka ny ainy, ary tahotra lehibe no tonga tamin’izay rehetra naheno izany. 6Ary ireo tovolahy dia niroso ka namono lamba azy, ka nentin’izy ireo nivoaka izy ary nalevina.

7Taorian’ny ora telo teo ho eo, dia niditra ny vadiny, mbola tsy nahafantatra izay nitranga. 8Petera niteny taminy hoe: “Lazao ahy raha izany no namarotanareo ilay tany.” dia hoy izy: ‘’Eny, noho izany.”

9Avy eo i Petera niteny azy hoe: “Nahoana ianareo no nanaiky hiara-hitsapa ny Fanahin’ny Tompo? Indro, ireo tongotr’ireo olona izay nandevina ny vadinao dia eo am-baravarana, ary hamoaka anao izy ireo. 10Ary lavo teo noho eo teo amin’ny tongony izy ary afaka ny ainy. Rehefa niditra tao ireo tovolahy, dia nahita azy maty, ka nitondra azy nivoaka sy nandevina azy teo anilan’ny vadiny. 11Raiki-tahotra ny fiangonana manontolo, sy ireo rehetra izay nandre izany zavatra izany.

12Famantarana sy fahagagana maro no niseho tamin’ireo vahoaka tamin’ny alalan’ny tanan’ireo Apostoly. Niaraka teo amin’ny fialofan’i Salomona izy ireo. 13Fa tsy nisy olona hafa nanana fahasahiana hiaraka amin’izy ireo; kanefa, ny vahoaka dia nanandratra fankasitrahana avo azy ireo.

14Ary vao maika nihamaro ireo mpino izay nanampy isa ny Tompo, andian-dehilahy sy vehivavy, 15ka nentin’izy ireo teny an-dalana hatramin’ny ny marary ary nampandrin’izy ireo teo ambony fandriana sy farafara, ka mba rehefa mandalo i Petera, dia mety mba hanaloka ny sasany amin’izy ireo ny alokany. 16Teo ihany koa dia maro ny vahoaka no niara-tonga avy ao amin’ireo tanàna manodidina an’ny Jerosalema, nitondra ny marary sy ireo izay nampahorian’ny fanahy maloto, ary dia sitrana izy rehetra.

17Fa nitsangana ny mpisoronabe, sy ireo izay niaraka taminy (izay sekta an’ireo Sadoseo); ary dia feno fialonana izy ireo 18ary nisambotra an-kery ireo apostoly, ary nampiditra azy ireo tany an-trano maizina.

19Ary nandritran’ny alina dia nisy anjelin’ny Tompo nanokatra ny varavaran’ny fonja ary namoaka azy ireo tao, sy niteny hoe: 20“Mandehana, mitsangana ao amin’ny tempoly ary mitenena amin’ny olona ireo teny rehetran’ity fiainana ity.” 21Rehefa nandre izany izy ireo, dia niditra tao amin’ny tempoly izy ireo raha vao maraina ny andro ka nampianatra. Fa tonga ny mpisoronabe, sy ireo izay niaraka taminy, ary niantso ny filan-kevitra rehetra, ireo loholona rehetran’ny vahoakan’Israely, ary nalefa tany am-ponja mba hamoaka ireo apostoly.

22Fa nony tonga ilay mpiandry raharaha dia tsy nahita azy ireo tao am-ponja, ka niverina izy ireo ary nitatitra hoe: 23“Nahita ny trano maizina nihidy tsara izahay ary ny mpiambina dia nijoro niandry teo am-baravarana, fa rehefa novahanay izany, tsy nahita olona tao anatiny izahay.”

24Ary rehefa naheno izany ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly sy ireo mpisorona be, dia very hevitra tanteraka izy ireo nahakasika ny zavatra mety hitranga. 25Fa nisy olona tonga ary niteny tamin’izy ireo nanao hoe: “Ireo lehilahy izay nataonareo tao an-trano maizina dia mitsangana ao amin’ny tempoly ary mampianatra ny vahoaka.”

26Ary lasa ny lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’ireo mpiandry raharaha, ary nitondra azy ireo niverina, fa tsy tamin’ny herisetra, satria natahotra ny vahoaka izy ireo fandrao ho torahany vato. 27Rehefa nitondra azy ireo izy ireo, dia nandefa azy ireo teo anatrehan’ny filan-kevitra. Nanadihady azy ireo ny mpisorona be, 28niteny hoe: “Noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’io anarana io, kanefa, nofenonareo ny fampianaranareo i Jerosalema, ary tianareo ho tompon’andraikitra amin’ny ran’io lehilahy io izahay.”

29Fa i Petera sy ireo apostoly namaly hoe: “Izahay dia tokony hanaiky an’Andriamanitra nohon’ny olona. 30Ny Andriamanitrin’ny razanay nanangana an’i Jesosy, izay novonoinareo tamin’ny fanantonana Azy teo amin’ny hazo. 31Andriamanitra nanandratra Azy teo amin’ny tanan-kavanany mba ho Tompo sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana ho an’Israely, sy famelana ny heloka. 32Izahay dia vavolombelona ny amin’izany zavatra izany, ary ihany koa ny Fanahy Masina, izay nomen’Andriamanitra ho an’ireo manaiky Azy.”

33Raha naheno izany ireo tao amin’ny filan-kevitra, dia tezitra izy ireo ary nitady hanomono ireo apostoly. 34Fa nisy Fariseo iray natsoina hoe Gamaliela, mpampiana-dalàna, izay najain’ny olona rehetra, nitsangana ary nandidy ireo apostoly mba ho alaina avoaka kely any ivelany.

35Ary izy niteny tamin’izy ireo hoe: ‘’Lehilahy Isiraely, tandremo tsara ny amin’ny zavatra izay ho ataonareo miaraka amin’ireo olona ireo. 36Fa tany aloha tany, Teodasy nilaza ny tenany ho zavatra, ary vondron’olona, tokony ho efa-jato, nanaraka azy. Novonoina izy, ary ireo rehetra izay nanaiky azy dia niparitaka ary tonga tsinontsinona. 37Avy eo io lehilahy io, Jodasy avy any Galilia dia nitsangana tamin’ny andron’ny fanisana ary nitaona olona maromaro hanaraka azy. Izy ihany koa dia novonoina, ary ireo rehetra izay nanaiky azy dia niparitaka.

38Ary ankehitriny dia lazaiko aminareo, manalavira an’ireo lehilahy ireo ary avelao irery izy ireo, fa raha avy amin’ny olona io drafitra na io asa io, dia ho foana izany. 39Fa raha avy amin’Andriamanitra kosa, dia tsy ho azonareo foanana ireo; mety ho hitanareo aza fa miady amin’Andriamanitra ianareo.” Dia resy lahatra izy ireo.

40Ary niantso an’ireo apostoly hiditra izy ireo ary nikapoka sy nandidy azy ireo tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesosy, ary namela azy ireo handeha. 41Izy ireo dia nandao ny filan-kevitra tam-pifaliana satria mendrika ny hitondra fahafam-baraka ho an’Ilay Anarana. Tao aorian’izay isan’andro, tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an’ i Jesosy ho Kristy izy ireo, teo an-kianjan’ny tempoly sy tamin’ny trano maro.

42

Copyright information for PltULB